Flash
Préc Suiv

Groupe Alain Rabevason: hoenti-mitory ny ban-kira maroloko

Groupe Alain Rabevason: hoenti-mitory ny ban-kira maroloko

Taona 2000, tafatsangana ny Groupe Alain Rabevason. Nisafidy ny talentany amin’ny asa fitoriana sy fiderana ny Tompo ny mpikambana ao anatiny. Tombony ho an’ity tarika ity rahateo ny fananana ireo mpikambana ireo milalao ny karazana gadon-kira misy eto ambany masoandro, toy ny milamina sy ny mihetsiketsika. « Ny ahafahana mampita ny hafatra raiketin’ireo tononkira ho an’ny sokajin’olona rehetra ny antony. Hanomezana ainga vao ny tontolon’ny hira evanjelika ihany koa”, hoy i Alain Rabevason.

Ampahany amin’ireo hira nahafantarana ny Groupe Alain Rabevason ny “Faly midera”, “Mahagaga”… Andalana amin’ny fiketrehana kapila mangirana laharana fahefatra ankehitriny ny tarika. Ity farany izay misokatra malalaka amin’ireo rehetra vonona hanabe voho ny asa fitoriana sy fiderana Ilay Ray Mpahary.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.