Flash
Préc Suiv

GDPEM: hovahana ny olan’ny angovo

GDPEM: hovahana ny olan’ny angovo

« Hitondra vahaolana ho an’ny mpitondra izahay manoloana ny olana eo amin’ny angovo eto amintsika », hoy ny eo anivon’ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GDPEM, omaly, tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Nambaran’izy ireo tsy misy afa-tsy ny 15%-n’ny angovo eto ihany amin’izao fotoana izao no hisitrahan’ny mponina. « Tokony hataon’ny fitondrana laharam-pahamehana io resaka famatsiana ny angovo io. Vahaolana ny fanalefahana ny resaka hetra momba izany. Efa tsara ilay fanalefahana izany eo amin’ny resaka angovo azo avy amin’ny masoandro. Ny resaka angovo rehetra mihitsy koa anefa no mila irosoana ho amin’izany. Mbola misy 85% tokony hotrandrahina ”, hoy ihany izy ireo.

Manoloana izany, hisy ny atrikasa goavana hotanterahin’ny GDPEM ny 14 sy 15 septambra izao etsy Andrefan’Ambohijanahary ihany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.