Flash
Préc Suiv

Festival Rodorodo: hihetsika i Vakiniadiana

Festival Rodorodo: hihetsika i Vakiniadiana

Hotanterahina ao Manjakandriana ny 28 hatramin’ny 30  septambra izao ny Festival  Rodorodo I. “Fotoana hanehoana ny maha izy azy sy ny soatoavin’i Vakiniadiana io. Vavahadin’Imerina izy ka haseho amin’izany ny kolontsaina mampiavaka iny faritra iny. Ny fanatanjahantena sy ny soatoavina ananany…Hanehoana  firaisankina sy ny fifankatiavana  izany”, hoy ny mpandrindra, i Haja tetsy Andrefan’Ambohijanahary,  omaly. Nanteriny  fa tanjona  ny  hanairana ny hambom-pon’ny tsirairay hitondrana anjara biriky sy hamaritana ny paikady hanafainganana ny  fampandrosoana  eo amin’ny toekarena  sy sosialy  ary koltoraly  any Vakiniadiana.  “Haverina  indray ny lazany fahiny… Miantso  ny zanak’iny faritra  iny izahay mba  ho avy hirodorodo ho any an-tanàna, hamadika ny soatoavina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana”, hoy ihany  izy  ireo.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.