Flash
Préc Suiv

Fanatanjahantena an-tsekoly – « Mada 2018 »: ho hentitra ny fanaraha-maso ireo mpangala-taona

Fanatanjahantena an-tsekoly – « Mada 2018 »: ho hentitra ny fanaraha-maso ireo mpangala-taona

Hiavaka ny fifaninanam-pirenena amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly amin’ity. Homena sehatra bebe kokoa ny tovovavy, eo amin’ny taranja baolina kitra. Tanjona ny hahitana atleta handrafitra ny ekipam-pirenenaa, atsy ho atsy.

Hotanterahina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, manomboka ny 28 septambra ka hatramin’ny 8 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly. Fihaonana, karakarain’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, miaraka amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, natokana ho an’ireo mpianatra 12 ka hatramin’ny 17 taona, avy amin’ireo sekoly miisa 130 manerana ny faritra 22.

Ho hentitra ny mpikarakara, amin’ity, amin’ireo mpianatra mangala-taona sy ireo mpanabe minia manaiky izany, araka ny nambaran’i Manitrandrasana Hery Vony Aina, tomponandraikira nasionaly ny fanatanjahantena an-tsekoly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Anosy. Hisy ny fitsirihana atao amin’ireo mpianatra rehetra mandray anjara, amin’ny alalan’ny « visite somatique », manomboka any amin’ny fari-piadidiam-pampianarany ary mbola hisy ny famerenana fitiliana rehefa tonga any Toliara hialana amin’ny hosoka.

Kolontsaina mampiavaka ny isam-paritra                                           

Tsiahivina fa mpianatra 2 000 eo ho eo no hiady ny lohany amin’ireo taranja miisa 6.  Ahitana  ny atletisma lahy sy vavy 16 – 17 taona, ny baolina kitra lahy sy vavy 12 – 13 taona, ny basikety lahy na vavy 14 – 15 taona, ny handball lahy sy vavy 16 – 17 taona ary ny Urban cross mirefy 3, 5 km ho an’ny vehivavy raha 5, 5 km ny an’ny tovolahy izany. Tanjona ny hahazoana atleta « élite », toa an-dRavelomanantsoa Jean-Louis, teo amin’ny atletisma, na Andriamiharinosy Augustin (Baovola), ho an’ny baolina kitra, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, izay nivoaka tamin’ny fifaninanana an-tsekoly, tamin’ny fotoan’androny.

Ankoatra ny fihaonana fanatanjahantena, hisy koa lafiny kolontsaina, hanasongadinana ireo fomba mampiavaka ny isam-paritra ary ny tontolo andro iray, hampialana voly ireo mpandray anjara rehetra.« Haiko ny fombako ary fantariko koa ny an’ny hafa » ny lohahevitra amin’izany.

Torcelin

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique