Flash
Préc Suiv

Antenimierandoholona: filoha vonjimaika Andriambololona Mananjara

Antenimierandoholona: filoha vonjimaika Andriambololona Mananjara

Ny filoha lefitra, faritany Antananarivo, Andriambololona Mananjara, no notendren’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, hisolo toerana vonjimaika azy noho ny fandraisan’ity farany ny andraikitry ny filoham-panjakana. « Asa roa ihany no iandraiketako eto: voalohany, ny fanomanana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Amin’ny maha Andrimpanjakana azy, tsy maintsy mandray anjara amin’ny fanomanana izany amin’ny lafiny maro, na tsy mivantana aza« , hoy ny filoha mpisolo toerana, Andriambololona Mananjara.

Faharoa amin’izay asany izay, eo ny fandaniana ireo volavolan-dalàna samihafa sy ny asa andavanandro. Tsy iza no alainy tahaka amin’izany, fa haka ny torohevitra sy toromarika lalandava any amin’ny filoha teo aloha izy, araka ny fanazavany.

Tsy hisy zavatra hiova eo anivon’ny Antenimierandoholona. Ao amin’ny biraony ihany, ohatra, izy no hiasa, ary tsy toy ny filoha izy ka hisy mpanaraka manokana ny fiara. Toy ny fidirany andavanandro ihany no fidirany, satria izay no maha mpisolo toerana azy.

Andrimpanjakan’ny fahamarinan-toerana…

Hanomboka amin’ny 16 oktobra ny fivoriana ara-potoana faharoa parlemantera, handinihana ny tetibolam-panjakana, taona 2019. Maro koa ny volavolan-dalàna hodinihina sy holanina amin’izany. Ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra izany fotoam-pivoriana izany, anjaran’izy ireo loholona ny mandanjalanja, araka ny nambarany ihany.

Tsy nametra-pialana izy fa niova andraikitra: miverina amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, rehefa vita ny famindram-pahefana eo amin’ny filohan’ny Repoblika vaovao sy ny teo aloha izay nametra-pialana.

R. Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique