Flash
Préc Suiv

Andavamamba: mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Andavamamba: mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Voasambotry ny polisy teny Andavamamba ny lehilahy iray mpifoka rongony, ary mbola nahitana fonosana miisa fito teny aminy , ny alahady teo. Any Ambohimahitsy izy io no mipetraka ary tonga any Andavamamba. Anisan’ireo mpanaparitaka rongony ilay lehilahy ity. Ny fiparitahan’ny rongony izay anisan’ny mahatonga ny asan-jiolahy mirongatra eto amintsika. Mandray azy io avokoa rehefa mpanao asa ratsy ahafahany mahazo fahasahiana amin’ny fanaovana asan-jiolahy.

Anatin’ny ady ataon’ny polisy ny fiparitahan’ny rongony. Misy faritra maro iparitahan’izany, indrindra eny amin’ny faritry ny sekoly. Misy ny ezaka amin’ny ady atao amin’ny fidorohan’ny mpianatra rongony. Azon’ny sekoly atao, na ny olona manodidina ny mametraka fitoriana eny amin’ny polisy raha misy ny tranga mampiahiahy. Adidin’ny rehetra ihany koa ny manondro ireny toerana maro mpidoroka zava-mahadomelina ireny, isorohana ny asa ratsy amin’ny endriny rehetra.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.