Flash
Préc Suiv

74 811 ny mpiadina eto Antananarivo: afaka manatona ny ofisin’ny bakalorea ireo tsy nahazo ny fiantsoana

74 811 ny mpiadina eto Antananarivo: afaka manatona ny ofisin’ny bakalorea ireo tsy nahazo ny fiantsoana

Hanomboka ny alatsinainy izao ny fanadinana bakalorea taona 2018 ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika andiany voalohany. 74 811 ny isan’ny mpiadina eto Antananarivo sy ny manodidina ka 4 769 ny sampana teknika. Maro anisa indrindra ny sokajy A2, mahatratra 16 260. Tokony ho efa nahazo ny taratasy fiantsoana avokoa ny mpiadina rehetra amin’izao fotoana izao. Afaka manatona eny amin’ny Ofisin’ny bakalorea hatramin’ny asabotsy 15 septambra ireo tsy mbola naharay izany. Ho an’ny foibem-panadinana, 115 ny isany ka tsy nisy ny foibe vaovao fa ny isan’ny efitrano fandraisana ny mpiadina amin’ny foibe mahazatra no nampiana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo, Rakotoarisoa Olivier, omaly teny Ankatso. Misy sivy ny mpiadina vahiny hiatrika ny bakalorea malagasy, 15 kosa ireo manana fahasembanana amin’ny fahenoana sy ny fahitana. 75 taona ny zokiny indrindra ary 11 taona ny zandriny indrindra, samy ao amin’ny lycée Ampefiloha avokoa ny foibem-panadinana misy azy ireo. “Tombanana any amin’ny 20 oktobra, any ho any, ny “déliberation” ho an’ny bakalorea ary aorian’izay ny famoahana ny valim-panadinana eto Antananarivo”, hoy ny filohan’ny oniversite, Ramanoelina Panja. Manomboka ny alatsinainy 24 septambra ny fitsarana ny kopia rehetra ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny teknika dingana voalohany. Miatrika ny dingana faharoa kosa ny sampana teknika, ny 24 ka hatramin’ny 27 septambra.

Ho an’ny fitaovana ampiasaina mandritra ny fanadinana, penina miloko manga, machine à calculer scientifique non programmable ihany ny azo ampiasaina. Tsy azo atao ny mitondra finday na famantaranandro mety hanampy ny mpiadina mandritra ny fiatrehana ny taranja samihafa. 15 minitra ihany ny fahatarana azo ekena aorian’ny ora fidirana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.