Flash
Préc Suiv

Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika: efa mihena ny ankizy manatona ny Creni

Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika: efa mihena ny ankizy manatona ny Creni

Telo amin’izao fotoana izao ny ankizy raisina an-tanana ao amin’ny fandraisana zaza tratran’ny tsy fanjarin-tsakafo mahery vaika ao amin’ny Creni eo anivon’ny CHRR Ambovombe. Amin’ny ankapobeny, valo isam-bolana ny ankizy tonga manatona ny Creni noho ny tsy fanjarian-tsakafo. « Azo ambara fa nihena ny isan’ny zaza tonga satria efa manana Crenas avokoa ny CSB 23 ho an’ny distrikan’Ambovombe ka voaray an-tanana ara-potoana avokoa ireo tsy salama », hoy ny lehiben’ny sampandraharaha Creni sy mpitsabo ankizy ao amin’ny CHRR, ny dokotera Magnirisoa Vily Paubert. Zaza voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sady lalim-paka miaraka amin’ny vatana mibinabina ny roa amin’izy ireo i Manamagnolaka sy i Manamiasy, samy zazalahikely 4 taona sy 5 taona. Mahatratra 10 andro ny faharetan’ny fitsaboana ary mody any an-trano sady arahi-maso eny anivon’ny Crenas indray ilay zaza avy eo.

Nanomboka ny fiandohan’ny taona no ho mankaty, 20 ny tranga tazo niseho, roa ny ankizy namoy ny ainy vokatry ny aretina tazo mahery. Mbola betsaka ireo tsy manatona ny hopitaly vokatry ny fanompoana sampy samihafa ka rehefa sarotra vao entin’ny havany eny amin’ny tobim-pahasalamana. 74 ny CSB ao anatin’ny faritra Androy : Ambovombe, Beloha, Tsihombe ary Bekily.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique