Flash
Préc Suiv

Toliara: nitsidika ny MDP i Stuart Wilson

Nitsidika ny Tranoben’ny tantsaha na Maison des paysans (MDP) ao Toliara ny mpiandraiki-draharaha amerikanina, i Stuart Wilson, faran’ny volana septambra teo. Nijery ny fandrosoan’ny fandaharanasa “Food_For_Progress” novatsin’ny departemanta amerikanina misahana ny fambolena izy tamin’izany.

Ny taona 2016 no naverina indray io fandaharanasa mitentina iray tapitrisa dolara io rehefa niato nandritra ny tetezamita.  Manatanteraka ny asa ankehitriny ity tranoben’ny tantsaha ity eo ambany fanaraha-mason’ny minisiteran’ny Fambolena. “Fampirisihana ny fampiasana masomboly mahatanty haintany toy ny ampemba, ny lojo, ny bajiry, sy ny atsoroko, sady feno otrikaina any amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara yo anaran’ny tetikasa.

Tanjona ny hanamaivanana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mampijaly ny mponina mandavantaona any atsimo amin’ny alalan’ity tetikasa ity.

Tatiana A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique