Flash
Préc Suiv

Toamasina: nomena toromarika ny VLKM

Toamasina: nomena toromarika ny VLKM

Efa maka bahana tanteraka. Nihaona amin’ireo mpikambana Vondrona laika kristianina katolika (VLKM) Toamasina, ny  herinandro teo, ny filoha nasionaly, i Yvette  Sylla. Nivoitra tamin’izany ny fifampizarana traikefa sy ny toromarika hiatrehana ny fampielezan-kevitra. Ny mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fifidianana ihany koa. Notsindrina manokana ny fanaraha-maso eo amin’ny fanisam-bato sy ny lalana izoran’izany mandra-pahatonga eny anivon’ny CRMV.

Anisan’ny niatrika izany ireo mpikambana VLKM eo anivon’ny kaominina Toamasina. Tara ihany anefa ny fanombohan’izany fihaonana izany noho ny ambara fa sakantsakana nataon’ny zandary sy ny eo anivon’ny ATT ka tsy nahafahan’ireo mpikambana namonjy ny fotoana amin’ny tokony ho izy, hihaonana amin’ny filoha Yvette Sylla. Tsiahivina rahateo fa manohana  ny kandidà laharana faha-13, mpanorina ny IEM, Rajoelina, ny VLKM ka ahin’ny maro ho misy ambadika politika na antsojay tsotra izao izany fanelingelenana izany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.