Flash
Préc Suiv

Toamasina: mirongatra ny fisolokiana avolenta

Tsy tery lalana ny ratsy ary efa sarotra ny mahatoky olona amin’ny resa-bola na efa mpiara-miasa akaiky izao aza. Izay no azo hisokajiana ity tovolahy mpanosika kalesa ary fametrahan’ny mpampiasa azy vola. Raha handeha hividy entana tao amina mpamongady iray eny Mangarivotra Toamasina anefa ilay mpanosika kalesa, ny alahady maraina teo dia nanjavona tampoka ka tsy hita popoka intsony niaraka tamin’ny vola 5 hetsy Ar nomen’ny mpampiasa azy hividianana entana tao amin’ilay toeram-pivarotana. Olona sendra nandalo no nahita ny kalesa nentiny izay efa nariany teny amin’ny manodidina tsy lavitra ny toeram-piasany.  Tsy naharitra izany kosa ny tompon’ny kalesa sy ilay niharan’ny fisolokiana fa tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisin’ny Fip. Nanao fikarohana avy hatrany kosa ny polisin’ny Fip izay notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nikaroka ilay mpitondra kalesa tany an-tokantranony, saingy nolazain’ny tompon-trano fa efa nifindra vao haingana ity lehilahy ity. Nitohy hatrany ny fikarohana azy ka voasambotra, ny alahady antoandro teo tamin’ny 11 ora izy teo akaikin’ny tranon-jiro eo Ankirihiry. Niaiky ny heloka vitany izy ary namerina ny vola 3 hetsy Ar sisa tavela tany aminy. Nanao antso avo amin’ny mpandraharaha rehetra ny kaomisera Rafaliarivo Jules, kaomandin’ny Fip Toamasina mba ho malina hatrany fa tsy tery lalana ny ratsy.

Sajo sy J.C

 

Les commentaires sont fermées.