Flash
Préc Suiv

Savorovoro tetsy Mahamasina: nambaran’ny FMF ho tompon’andraikitra ny rehetra

Savorovoro tetsy Mahamasina: nambaran’ny FMF ho tompon’andraikitra ny rehetra

Nitondra fanazavana, ny filohan’ny federasiona, Andriamiasasoa Doda, omaly, tetsy Isoraka momba ny tranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ka nisian’ny maty sy naratra. Niaiky ny tenany fa nisy ny lesoka ka nitarika ireny ady saritaka ireny. Notsindriny kosa anefa fa samy tomponandraikitra ny rehetra. Nanteriny fa efa nambara mialoha fa manomboka amin’ny 9 ora maraina ny famarotana ny tapakila, hisorohana ny hosoka, saingy mbola nisy hatrany ny varo-maizina, nivarotra hatrany amin’ny 10 000 Ar ny tapakila 5 000 Ar. Nahitana izany ny teny Analakely sy ny manodidina. “Antony iray nahatonga ilay fibosesehana teo am-bavahady ny fisian’ireo olona efa nahazo tapakila nefa tsy tafiditra. Voatery izahay niantso sy niera tamin’ny « commissaire au match » hanokafana ny vavahady, hampidirana ireo olona marobe. Nanararaotra izany ireo tsy mbola nanana tapakila ka nahatonga ireny olona marobe tafiditra tao anaty kianja ireny”, hoy izy.

Nametraka fehezam-boninkazo tetsy Mahamasina ny Barea 

Nambarany fa mety tsy hisy ny sazy satria nezahina tsy hanelingelina ny lalao izany. Mbola niaiky koa ny FMF fa tomponandraikitra voalohany izy ireo nikarakara iny lalao iny ary mandray an-tanana tanteraka ny fitsaboana sy fikarakarana ny maty. “Efa naka lesona sy hanova fomba fiasa amin’ny fandraisana ireo lalao, hafa”, hoy izy ireo. Na izany aza, nankasitraka ireo mpilalao sy ireo mpanazatra ny FMF ka nanolotra 1 tapitrisa Ar avy. Nanolotra 5 tapitrisa Ar koa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena.

Tonga nametraka fehezam-boninkazo teo Mahamasina kosa ireo mpilalaon’ny Barea, ho fahatsiarovana ilay namoy ny ainy ny alahady lasa teo.

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique