Flash
Préc Suiv

Karazany maro ny vola miditra

Karazany maro ny vola miditra

Mampidi-bola ho an’ny faritra, ny kaominina, ny ORT, ny ONT ny fizahantany. Miara-miasa amin’ny vahiny ny ORT ao Menabe misarika mpizahatany avy any ivelany. Manomboka mampidi-bola ireo vahiny ireo rehefa tonga eto amin’ny alalan’ny vignette touristique ka 50 %, an’ny ONT ary 50 %, an’ny ORT. Eo koa ny haba avy amin’ny fivahiniana ho an’ny kaominina. Ao koa ireo mpanao asa tanana mahazo ny anjarany mivarotra amin’ireo vahiny.

Raha eo amin’ny Allée des Baobas, ohatra, niadian-kevitra amin’ireo mpivarotra asa tanana ireo ny haba tokony ho an’ny ONG Fanamby sy ny kaominina. Ny vola azo avy amin’ny saran’ny fijanonan’ny fiara, 2.000 Ar, efa an’ny ONG Fanamby. Maka io saran’ny fijanonan’ny fiara io avokoa ny kaominina rehetra misy toeram-pitsangantsanganana.

Misy koa ny fifampiraharahana amin’ireo trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana any an-toerana ataon’ny ORT. Tanjona ny fanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ireo vahiny. Manome fanofanana ireo mpiasan’ny trano fandraisam-bahiny ireo ny ORT, saingy misy ihany ny malaina hanaraka izany, tsy te hiala vola. Manome endrika ratsy ny fizahantany eto amintsika anefa ny fahadisoana kely tsy fahaizana manara-penitra, ohatra fotsiny eo amin’ny fomba fandrosoana sakafo. Marihina fa misy trano fandraisam-bahiny lehibe maro any Morondava (ahitana 4 étoiles) ; valo ny any Belo sur Mer ; iray ny any Manja.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique