Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo resaky ny mpitsimpona akotry: mitandrina rainy fa malama ny gorodona

Tsy misy intsony angamba no tsy mahafantatra ny fahalaman’ ny sehatra fanaovana pôlitika eto amin’ny tanàna. Tsy resahana intsony moa ny fahadisom-panantenana nohon’ny fanadinon’ny mpamitaka ny toky nomeny rehefa tapitra ny filan’ny fahatokisan’ireo olona voafitany, eo koa ny fifampiangana ifanaovan’izy samy mpilalao pôlitika mikasika ny fivadihan-dela mikasika zavatra sy raharaha nifanekena, ambonin’izany rehetra izany ny fihetsika tanalahy, tsy iefenana intsony ny fanaovana an’izany efa diso mahazatra ny fisehon’ny fiovan-doko eo am-panaovana pôlitika. Maro amin’ireo tandapan’ny mpilatsaka amin’ny fifidianana filoha-pirenena no mitaraina ny fahasarotan’ny fanomezan-toky an’ireo mpikarama an’ady tonga tsy voizina manolotra ny tenany sy tetika nomaniny, manome toky hanampy tosika amin’ny tolona ahafahana mandresy. Nohon’ny abetsahan’ireo mpandom-baravarava sy ny fitovitovin’ny tolotra entiny vetivety dia samy nahatsapa fa tsenam-barotra izy ity, na izany aza eo ihany ny fakam-panahy mety anajamba ny mpilatsaka, fifaninanana mikasika fahazona vato be indrindra no atrehana, tonga namana indray ve vao ho mavomavo ? Izay tonga iray milaza avokoa ho mamim-bahoaka ka afaka misarika mpifidy am-polo an-jato an’arivo an’alina ary an’hetsiny mihintsy aza andatsa-bato ho an’ny mpilatsaka tohanany. Sarotra ny fandidina ! Ny ankabeazan’ireo mpanolotra fiaraha-miasa ireo tsy olom-boafidy ka mety ampiahiahy be ihany ny filazany hoe mahafehy safidi-bahoaka izy, mety misy anefa fahamarinana ihany amin’ny kabary mamy ataony ho fandresen-dahatra. Tsy ilaozan’izay mandeha an-kitsipo koa izy ireny na maro aza ireo fantatra fa manao an’izany toy ny fanaovana varotra, mitety trano samy hafa eo amin’ny fikarohana mpanjifa. Pôlitika anefa no atao, fikarohana tombotsoa iombonan’ny rehetra eo amin’ny fiaraha-monina manerana ny nosy no tanjona, moa ve afaka ahankina sy ajanona amina resa-barotra ny safidy mikasika an’izany ? Mivarina any amina fanaovana tsenam-barotra ny fifdianana nefa ny tanjona dia ny fahafahana ampisondrotra ny dinika sy ny fanapahana ho fitsinjovana ny tombontsoa iombonana izay mitaky fanajanonana ny fikarohana tombontsoa manokana. Raha mbola fanaovana varotra no manjaka, raha mbola fikaramana no maniraka ny maro hiditra an-tsehatra handray anjara, sarotra no antenaina fiovana ao aorianan’ny fifidianana nanjakan’ny ady saritaka arakaraky ny fahefam-bidy. Mbola tsy eo ilay lalàna mafehy ny fiovana toe-tsaina. Nefa izao aloha ny rafitra misy, efa dingana iray no vita raha tanteraka ao anatin’ny filaminanana ny fifandimbiasana eo amin’ny fitondrana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.