Flash
Préc Suiv

Fisehoana vahoaka voalohany: voasiotsioka tetsy Mahamasina Rakotovao Rivo

Fisehoana vahoaka voalohany: voasiotsioka tetsy Mahamasina Rakotovao Rivo

Vao manomboka hoy i « Kaina » ? Tsy vitan’ny efa voafetra sy kely ny fahefan’ny filoham-panjakana Rakotovao Rivo fa mbola niharan’ny tsy fankasitrahana koa tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny alahady teo. Sambany niseho vahoaka voalohany taorian’ny maha filoha mpisolo toerana vonjimaika azy izy kanefa nihorakorahan’ny olona sy nosiatsiahin’ny maro. Tsy nifandrenesana izany raha vao nidina ny “tribune” nihazo ny hatreny ambony kianja hiarahaba ireo mpilalao roa tonta: Barea sy i Sénégal mialoha ny hanombohan’ny lalao ny tenany.  Naharitra ny nisehoan’izany tsy fitiavana ity mpitantana vonjimaika ny firenena ity. Mbola voaporofo indray izany izao ny  tsy fankasitrahan’ny ankamaroan’ny vahoaka ny mpitondra, indrindra fa ny HVM, amin’ny fotoana maha vory vahoaka tahaka ireny. Efa niharan’izany matetika ny kandidà Rajaonarimampianina tamin’ireny lalao tao amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ireny. Mbola tsy afa-bela fa tratra indray koa izany izao ity filoha nasionaly teo aloha ny antoko HVM ity.  Ataon’ny olona anaty kitapo iray satria samy HVM sy mpitondra avokoa na Rakotovao Rivo na Rajaonarimampianina Hery ka tsy nahagaga raha iharan’ny horakoraka tahaka izao. Efa notsarain’ny vahoaka sahady. Hanao ahoana ny amin’ny fifidianana filoham-pirenena?

Notsenain’ny savovoro sy  faty olona…

Tsy vitan’izany fa notsenain’ny savorovoro sy fifanjevoana ary faty olona ny nandraisany ny fahefana. Tahaka ny niseho ny 25 janoary 2014 ihany, tamin’ny nandraisan dRajaonarimampianina ny fitondrana koa.

Tsiahivina fa anisan’ny tazana teny an-toerana koa nijery ny lalaon’ny Barea sy ny Lionan’ny Teranga avy any Sénégal ny kandidà Ravalomanana, saingy tsy mba nataon’ny olona tahaka izany.

Randria

Les commentaires sont fermées.