Flash
Préc Suiv

Ceni: « Tsy maintsy atao ny fifidianana »

Ceni: « Tsy maintsy atao ny fifidianana »

Tsy azo ihodivirana. « Avy amintsika mianakavy ihany ny filaminana. Tsy maintsy atao ny fifidianana satria voasoritra ao anatin’ny lalàmpanorenana: tsy maintsy irosoantsika  izany », hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotomanana Hery, omaly, momba ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana.

Fandraisana andraikitra ny an’ny Komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM) ny amin’ny fanolorana Dinam-pifanarahana hosoniavin’ireo kandidà filoham-pirenena hisian’ny fitoniana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.

Mitaky fifampitokisana sy fifanajana

Samy zanak’i Madagasikara ka samy manao izay hahatontosa sy hahatamombana ny fifidianana.

« Samy mba mandray andraikitra avokoa ny rehetra ao anatin’ny fomba hitantanantsika ny fifidianana. Fifampitokisana sy fifanajana no tadiavina hahatongavantsika ao anatin’ny filaminana », hoy izy. Izay voasoritra ao anatin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ihany no atao. Izay ihany no tsy mampikorontana.

Hampilamina ny firenena  ny fifidianana 

Tena zava-dehibe ny fifandraisana satria hikarakara fifidianana i Madagasikara. Mba hampilamina ny firenena ny fifidianana atao, ary tokony hankatoavin’ny besinimaro koa izay fifidianana izay. « Kolokolointsika izay fifandraisana amin’ny olona rehetra izay », hoy ihany izy momba ny fivoriana  atrikasa, nanomboka omaly ary hifarana anio, iarahana amin’ny Sadc sy ny FES momba ny fifidianana. Mba hahazoan’ny sehatra iraisam-pirenena matoky sy manaiky ilay fifidianana izany.

Tsiahivina fa efa ho  avy ireo  biletà tokana  ho an’ny kandidà  sy ny fiarahamonim-pirenena , hanentanana sy  hampahafantarana ny vahoaka.  Ho avy ny volana  oktobra kosa ny biletà tokana  hampiasaina amin’ny fifidianana.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.