Flash
Préc Suiv

Antsalova: olona dimy maty notifirin’ny dahalo, vehivavy roa takalon’aina

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany Antsalova, ny alahady maraina teo. Olona dimy indray maty notifirin’izy ireo tamin’izany. Nentin’izy ireo natao takalon’aina ihany koa ny vehivavy. Mbola nandoro tanàna ihany koa ireo dahalo nandritra ny fitsoahany. Tsy afaka nanao na inona na inona ny olona fa nilefa nanoloana ny herisetra nataon’ireo olon-dratsy. Hany hery, niantso vonjy tamin’ny zandary ary voalaza fa efa manao ny fanarahan-dia izy ireo.

Mateti-piseho any amin’ny faritra ny fanafihana arahina famonoana, fakana takalon’aina, fandorana trano. Ny any amin’ny faritra sasany aza, toy ny any Bongolava, matin’izy ireo hatramin’ny miaramila. Ny asabotsy teo ihany, voatifitry ny dahalo ny miaramila iray, tany Analafantsika, kaominina ambanivohitra Soanierana. Nanao ny fanarahan-dia ny miaramila sy ny fokonolona ka lavo tamin’izany ilay miaramila. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny basy Kalachnikov. Efa nalefa an-tanindrazany, omaly, ny nofo mangatsiakan’ity miaramila ity.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.