Flash
Préc Suiv

Andraisoro: mpivarotra rongony mahalany 20 fonosana isan’andro

Andraisoro: mpivarotra rongony mahalany 20 fonosana isan’andro

Saron’ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Andraisoro, ny 6 septambra 2018 teo ireo olona efatra tompon’antoka tamin’ny fanaovana trafikana rongony. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisian’ireto olona mpivarotra sy mpanao trafikana rongony ireto eny Andraisoro sy ny manodidina iny. Nidina teny an-torana avy hatrany ny polisy ka tratra voalohany ny lehilahy iray. Mbola nahitana fonosan-drongony miisa 44 teny aminy, nandritra ny fisavan’ny polisy. Nilaza izy fa tsy azy ilay zava-mahadomelina fa mpanatitra eny amin’ny pylone Andraisoro fotsiny izy. Izy indray no nanoro ireo olona voalaza fa tompon’entana ka nosamborina ihany koa ireo olona telo hafa (nahitana vehivay iray) mpiray tsikombakomba aminy. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa vidin’ireo tompon’entana 15 000 Ar amin’olona mandalo eny Andraisoro ny iray selofanina kely ary tsinjaraina ho 1 500 Ar ny iray fonosana. Mahalany fonosan-drongony 20 isan’andro izy, araka ny filazany tamin’ny polisy. Ilay mpanatitra kosa nilaza fa efa ho roa volana izy no nanao io asa ratsy io. Tamin’io andro io ihany, lehilahy iray hafa koa no voasambotry ny polisin’ny Stup teny Ambodivona noho ny fivarotana rongony. Mahalany fonosan-drongony miisa 10 isan’andro koa izy, raha ny filazany tamin’ny polisy.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique