Flash
Préc Suiv

Zon’ny sembana: mila fiarovana feno sy tetikasa fampiharana izany

Zon’ny sembana: mila fiarovana feno sy tetikasa fampiharana izany

Nitondra fanazavana bebe kokoa momba ny Fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny olona sembana any anivon’ny tanora mpianatra amin’ny ambaratonga ambony ny Fiombonan’ny fikambanan’ny sembana eto Madagasikara (UNAPH). Omaly, nampahahala izany fifanarahana izany ny sekretera jeneralin’ny UNAPH, Rakotoarison David, tao amin’ny oniversite tsy miankina iray, Uprim.

Fiarovana ny sembana amin’ny zony sy ny fanohanana azy ireo ny fototry ny voasoratra ao anatin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena, natsangana ny 2006 ary nankatoavin’ny firenena maro. Ny 15 septambra 2007, nanao sonia izany i Madagasikara, ary ny volana desambra 2014, nankatoavin’ny Antenimierampirenena sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eto amintsika ny fampiharana izany.

Manaiky izany i Madagasikara fa hanaja io Fifanarahana iraisam-pirenena io sy ny fampiharana izany amin’ny alalan’ny asa sy ny hetsika samihafa.  Ny 15 jona 2015, nambara tany New-York izany tamin’ny alalan’ny tetikasa Mirazo, vatsin’ny Vondrona eoropeanina vola.

15% ny manana fahasembanana eto Madagasikara, araka ny antontanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Betsaka izany raha io antontanisa io. Eo amin’ny fiarahamonina anefa, hadino matetika izy ireo, tsy mizaka ny zony. Zo feno manomboka any amin’ny fanabeazana, saingy mbola atao a-njorom-bala izy ireo ; ho an’ireo sembana amin’ny vatana, sarotra ho azy ireny ny mahazo asa na voaporofo aza fa mahavita izany asa izany ; hatrany amin’ny fitsaboana, vitsy izy ireo ny misitraka izany. Tsy ahitana fitaovana vonona handraisana azy ireo ny toeram-pianarana sy toeram-piasana.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique