Flash
Préc Suiv

Vonoana olona tany amin’ny karieran’Anjozorobe: tsy tokony  ho afa-bela Rajaonarimampianina sy ny zanany

Vonoana olona tany amin’ny karieran’Anjozorobe: tsy tokony  ho afa-bela Rajaonarimampianina sy ny zanany

Nipoitra  ihany  ny  marina raha niniana  nampanginina izany. Tokony ho voarohirohy miaraka amin’ny zanany momba ny “Raharahan’ny kariera tany Anjozorobe” ny kandidà  Rajanarimampianina.

Nahitana fiaran’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny zanaky ny filoha Rajaonarimampianina ny « Raharaha Anjozorobe ». Midika ho firaisana petsapetsa amin’ny tranga niseho tany an-toerana izany matoa nanome izany fiara izany ho any amin’ny karieran’Anjozorobe. Raha tsiahivina, nanakoako, ny volana febroary 2016 tany amin’ity toeram-pitrandrahana any Marotsipoy ity, ny anaran-dRakotoarimanana Rajaonarimampianina Matthieu. Niaraka tamin’io zanaky ny filoha io ny zandary sy ny miaramila maromaro ary ny vadintany handroaka ny mpitandraka tany an-toerana. Nisy ny fifandaharan’ny fokonolona sy ny vadintany nefa tsy nanaiky ity farany fa hampihatra ny didim-pitsarana ihany. Tsy niseho tamin’ireo fokonolona ny zanaky ny filoha tamin’izany  fa niandry tamin’ny toerana tsy lavitra, saingy tany an-toerana ihany. Ela loatra ny fifampiresahana.  Efa maika hahazo ilay toeram-pitrandrahana Rajaonarimampianina Matthieu ka raikitra ny fanapoahana basy. Nisy ny fitifirana ireo mpitrandraka ka nahalavo ny lehilahy iray antsoina hoe Mandignisoa.

Nitaky porofo  ny filoha…

Nanitrikitrika tamin’ny mpanao gazety ny zanak’Androy taty aoriana fa tsy hanaiky ny famonoana ny zanany. Namaly ny filoha fa tokony haseho ny porofo, na sary fa tany ny zanany tamin’izany. Nivoaka ny marina izao fa tany ny zanaky ny filoha ary mandainga ny filoha Rajaonarimampianina raha nilaza fa tsy tany velively ny zanany. Hita ao ny daty sy ny fotoana nakana ny sary. Eo koa ny horonantsary niparitaka nampiseho vadintany iray miresaka amin’ireo fokonolona teo amin’ny kariera ary hita amin’izany koa ny zanakalahin’ny mpitondra.

Midika ireo rehetra ireo fa tafiditra amin’io “Raharaha  Anjozorobe” io ny filoha sy ny  zanany. Andrasana ny ho tohiny.

Randria

Les commentaires sont fermées.