Flash
Préc Suiv

Tenisy – «Circuit U14»: tafita amin’ny manasa-dalana i Yaelle

Tenisy – «Circuit U14»: tafita amin’ny manasa-dalana i Yaelle

Hanomboka amin’ity alatsinainy ity any Alzeria, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy U14, taranja tenisy. Mialoha ny tena fihaonana anefa, mbola nisy lalao fanafanantena. Tsara ny vokatra ho an’ny mpilalao malagasy miatrika izany satria tafita teo amin’ny manasa-dalana, i Vaissaud Yaelle, ho an’ny lalaon’olon-tokana. Nidona tamin’ilay Alzerianina,  i Mebarki Bouchra, ny tovovavy, tamin’izany dingana izany.

Raha tsiahivina ny vokatra azony, nialohan’izay, nandresy an’i Imene Guettas, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/1 ; 6/1), teo amin’ny ampahavalon-dalana, avy eo nanilika ilay Zimbaboeanina, i Mutukutire Nicole, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa (6/0 ; 7/5), teo amin’ny ampahefa-dalana.

Resy teo amin’io ampahavalon-dalana io kosa Rakotondrainibe Sampras, izay lavon’ilay Egyptianina, Yakout Omar Yasser, tamin’ny seta 2 no ho 1 (3/6 ; 6/4 ; 10/12). Toy izany koa Rakotomalala Finoana, resin’ilay Beninoazy, Kpodieziaou Mariano, tammin’ny seta, 2 no ho 0 (3/6 ; 1/6).

Teo amin’ny lalao ho an’olon-droa, indray tafita teo amin’ny ankatoky ny famaranana ihany koa i Yaelle, niaraka tamin’i Mebarki Bouchra, rehefa nanilika an’ilay Kenyanina, i Shakira Varese sy ilay Alzerianina, Amina Arnaout, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/1). Nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana kosa i Finoana sy i Sampras. Niondrika teo anatrehan’ilay Maorisianina, i Jake Lam Hau Ching sy ilay botsoane, Denzel Seetso, tamin’ny seta, 2 no ho 0 (0/6 ; 2/6).

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.