Flash
Préc Suiv

Nambabo ny  mpankafy: ny « Hirahirantsika » an’i Haingo

Nambabo ny  mpankafy: ny « Hirahirantsika » an’i Haingo

Mbola hafa mihitsy. Babo ary namelovelo sy nandrendrika  ireo mpankafy tanteraka ny nitondran’i Haingo ny “Hirahirantsika” tetsy amin’ ny Trass Tsiadana,  ny zoma  teo. Nohirainy tao avokoa ireo  sanganasa  nanana ny lazany sy ny tsy faheno firy ary ireo hira nitety vanim-potoana maro. Voafehiny tanteraka amin’ny angolany sy ny  feo mampiavaka azy manokana rahateo izany ka nampihetsi-po ireo mpankafy nanatrika  izany. Narahina tehaka avokoa ny fikaloany izany tamin’ity seho takariva na “cabaret” ity.

Tsy nijanona amin’izany anefa ny seho. Teo koa ny hira niarahana ho an’olon-droa  na  telo  niarahana taminy. Anisan’ny  niaka-tsehatra nanampy azy ry Francky, Santatra sy ny maro  hafa…  Tsy nampoizina  koa ny fiakarana an-tsehatr’i Nirina. Nihira mitokana  sy  nampiara-peo  tamin’i Haingo izy ka nampiaiky ny maro izany. Efa mpanafana lanonana sy fetim-pianakaviana  rahateo ny tenany.  Efa miketrika ny hetsika manaraka amin’ny fomba hafa i  Haingo amin’izao fotoana  izao.

Synèse  R.

 

Les commentaires sont fermées.