Flash
Préc Suiv

MFM  Antananarivo Renivohitra: « Ndao… ho any amin’ny fifidianana… »

MFM  Antananarivo Renivohitra: « Ndao… ho any amin’ny fifidianana… »

Miantso ny rehetra izahay mba  ho tongotra miara-mamindra  sy soroka miara-milanja amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.  Ndao… Mifanotrona sy mifanome tanana amin’ny  besinimaro ho amin’izany”, hoy ny fehinkevitry ny filankevi-paritry ny  MFM, Antananarivo Renivohitra natao tetsy Antaninarenina,  omaly. Nambaran’izy ireo  fa ilaina  ny  fampandrosoana anaty fitoniana ka hiantsehatra amin’ireo rafi-pitondrana araka ny tandrify azy ny MFM  eto an-tanàna.  Nohitrikitrihin’izy ireo koa fa fototra sy fehizoro tsy maintsy hapetraka amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana  ny fokontany.  “Kitro ifaharan’ny fandrosoana ny  fahalalana sy ny fahafahan’ny tsirairay maneho hasina sy zo maha olom-pirenena  vanona,  mahay mandray andraikitra  eny  ifotony”, hoy ihany  izy ireo. Notsindrin’ny “Mafana” koa  fa mitolona hahatonga an’Antananarivo Renivohitra ho sehatra anjakan’ny demokrasia ary hiaina sata Repoblikanina fa tsy horavana indray.  “Ahifika  ny adilahy mampihemotra entina mamendrofendro  lava ny mponina eto”, hoy  ihany izy  ireo.

Tsiahivina fa anisan’ny nanatrika izany ny filoha  nasionaly, Rakotonirina Manandafy.

Synèse R.  

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique