Flash
Préc Suiv

Kaominina Fiombonana: nahazo poste de police vaovao

Kaominina Fiombonana: nahazo poste de police vaovao

Notokanana, ny zoma teo, ny poste de police vaovao eny amin’ny kaominina ambanivohitra Fiombonana Itaosy izay eo ambany fiahian’ny kaomisarian’Itaosy. « Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka amin’ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka ny fananganana io biraon’ny polisy io », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police, Rafanomezantsoa Roger. Nambaran’ny lehiben’ny kaomisarian’Itaosy, ny kaomisera Rasamoelimihamina Niry fa « hanampy ny kaomisaria amin’ny paikady izay efa napetraka tao anatin’izay herintaona izay ny fisian’io poste de police io dia ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka, teo koa ny fametrahana polisy eny an-dalambe, ny fisafoana tsy an-kiato izay efa fanao mahazatra hatrany anaty tanàna rehetra any, ny fanangonana hatrany ireo vaovao izay manamora ny asan’ny polisim-pirenena ». Noho ny ezaka nataon’ny polisy, tsy nisy ny fanafihana teny Itaosy sy ny manodidina. Nisy koa ny paikady manokana napetraka ho famahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Nojerana avokoa ireo antony mahatonga ny fitohanana ka noezahina novahana ny olana. “Manentana ny fiaraha-miasa sy ny fanomezam-baovao satria tsy vitan’ny polisy irery ny fampandriana fahalemana. Maherin’ny 200 000 ny isan’ny mponina sahanina eny Itaosy ary midadasika be ny faritra iadidiana”, hoy hatrany ny kaomisera Niry.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique