Flash
Préc Suiv

Kaominina Analapatsy -Taolagnaro: mahazo tohana amin’ny sakafo ny tokantrano 4 148

Kaominina Analapatsy -Taolagnaro: mahazo tohana amin’ny sakafo ny tokantrano 4 148

34 km ny refin’ny lalan-tany namboarin’ny fokonolona avy amin’ny asa tana-maro sandaina sakafo ao amin’ny kaominina ambanivohitra Analapatsy, distrikan’i Taolagnaro.

Tetikasan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) sy ny mpiray ombon’antoka alemà, Welth Hunger Hilfe (WHH), ny asa sandaina sakafo (FFA) ho an’ny vondron’olona marefo. Tanjona ny hanampy ny mponina hiatrika ny fiainany andavanandro taorian’ny tsy fisian’ny orana ka nanimba ny voly sy ny fihariany rehetra. Nahafaka olana amin’ny fivezivezen’ny vokatra sy ny mponina ao Analapatsy sy ny kaominina mifanila aminy, Andranobory, ny fahavitan’ny lalana satria entina amin’ny bisikileta na an-tanana ny vokatra hamidy any Taolagnaro. Amin’izao fotoana izao, misosa ny fiara lehibe (taksiborosy) sy ny sarety mitatitra ny vokatry ny fambolena, teo aloha. Nosantarina ny volana septambra 2017 ny asa ary roa andro isam-bolana ny faharetan’ny fanamboaran-dalana. Vary sy voamaina ary menaka no zaraina amin’ireo mpiasa. Ampy atao sakafo mandritra ny tapa-bolana eo ho eo ny vary nozaraina isam-pianakaviana 40  kg sy ny voamaina 6 kg, araka ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray manan-janaka fito mianadahy, i Soja Mahalahatsy. Ho solon’ny menaka, nomena vola 20 000 Ar ny isan-tokantrano ka nisahana ny fikarakarana izany tany an-toerana ny orinasa Telma. 4 148 ny tokantrano nisitraka ny tohana amin’ny sakafo ho an’ny fokontany 16.

Ny volana jolay ny rotsak’orana farany

Ankoatra ny fanamboaran-dalana, mamboly ampemba sy haninkotrana (mangahazo, katsaka…) hafa ireo mpahazo tombontsoa hasolo ny vary nozaraina rehefa lany ny tahiry.

Manana ny farihy Anony ny kaominina, saingy tsy mety amin’ny fambolena sy ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro izany satria masira be. Ny jono makamba no ilana ny farihy. « Betsaka ny mangahazo sy ny katsaka miakatra raha tomombana ny orana, saingy ny volana jolay lasa teo no nisy rotsak’orana farany », araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna ao Analapatsy, i Lambo Donné.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.