Flash
Préc Suiv

Hiragasy makotrokotroka: lasan-dRasoahasimanga Berthine zaza navela ny amboara

Hiragasy makotrokotroka: lasan-dRasoahasimanga Berthine zaza navela ny amboara

 Nafana tanteraka ny tetsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo, omaly ! Samy nanao izay ho afany ny tarika Rasoahasimanga Berthine Zaza navela sy Ramadison Anosimanjaka izay nifanandrina taminy. Tsikaritra ihany anefa fa nanantombo kokoa ny tarika Rasoahasimanga Berthine Zaza navela raha ny ako avy any amin’ny mpijery. Azon’izy ireo ny amboaran’ « Hiragasy makotrokotroka » tamin’ity taona 2018 ity.

Laharana faharoa ny tarika Ramadison Anosimanjaka. Ireo rehetra nanatrika, samy nahita fa na mbola enim-bolana aza no niorenan’ity tarika ity, manana ny hoaviny mamiratra izy ireo. Manana mpikambana anisan’ny havanana amin’ny hiragasy tokoa ito tarika ito.

Anisan’ny tombony ho an’ny tarika Rasoahasimanga Berthine Zaza navela ny fananana traikefa eo amin’ny fanatrehana adinkiragasy lehibe tahaka izao.

Marihina fa hetsika fanao isaky ny fialantsasatra lehiben’ny mpianatra ny « Hiragasy makotrokotroka » hoenti-maneho hatrany ny hasarobidin’ny zavakanto malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique