Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo resaky ny mpitsimpona akotry: ahiahy tsy ihavanana

Zatovo roa indray no namoy ny ainy tao aorian’ny hazakazaka 1.000 metatra sedra fanaovana ezaka ara-batana

amin’ny fanadinana «baccalauréat». Mampiahiahy be ihany ny fitrangana fahafatesana tampoka teo amin’ny fisedrana fanaovana ezaka mitovy andro vitsivitsy nifanesy, sady tsy voalohany izao no nisehon’ny loza toy izao fa tany an-taon-dasa teo aloha dia efa nisy ny fahafatesana tsy nampoizina nitranga tao aorianan’ny fihazakazahana teny amin’ny fanadinana baka.

Raha indray mandeha ny fisehon’izany mety ho azo ahankina amin’ny anjara ratsy, fa ny fisehon’izany fanindroa dia tsy hita ho jerem-potsiny amin’ny fiheverana an’izany ho fifandrifin’ny fitrangan-doza fotsiny. Noho ny adidy momban’ny fitsinjovana ny tanora, andraikitry ny fitondrana no maniraka fanaovana fanadihadina eo amin’ny fikarohana ny tena antony nitarika an’ireo fahafatesana ireo. Samy mahita moa maraina be ao anatin’ny fotoanan-dririnina ireo tanora misedra hatsiaka manazatra tena mihazakazaka manomana ny sedra fanatanjahan-tena hiatrehana fanadinana. Tsy ahenoana fitrangan-doza nihatra tamin’ ireo tanora marobe isaky ny faritra manodidina rehetra, nefa efa aman’ arivo raha kely izy ireo isaky ny asabotsy sy alahady raha mbola tsy itranga akory ny masoandro. Inona ary no antony tsy itrangan’ny loza raha tsy efa amin’ny andro fanaovana fanadinana ?

Maro ny zavatra mandalo an-tsaina mety anazavana izany hoy ny mpitsabo sy ny mpanabe, sarotra ny fiheverana ho fifanandrifin’ny fisehon-doza fotsiny ampionona ny saina. Tsy misy hetsika tazana anefa ataon’ny fitondrana ho fandalinana ny tena antony, sanatria ve dia izy tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana indray no tsy miraika eo anoloanan’ny fitrangana izany ? Manahirana moa ny fiheverana an’ilay fanendrikendrehana ody na otrika tsy fanta-pihavina nefa malaza ho manome tanjaka, izay hanin’ny zatovo sasantsasany angamba mba hanampy hery azy amin’ny andro fanadinana. Ny fitilina atao amin’ny razan’ireo namoy aina tampoka no ahafahana miala nenina mba hitsinjovana ny tsy fiverenan’ny loza intsony. Fiarovana ny mponina fiarovana ny tanora ny fandalinana ny momban’ny anton’ny fitera-doza toy izao, ahafahana manentana ny olona mba samy ho mailomailo tsy ho azon’ny fakampanahy hinakinam-poana ody tsy fantatra izay mety amitaka ka ilay noheverina hitondra soa indray no nanapoizina nitarika fahafatesana. Ny tena anjara ratsy dia izany famosavina tena tsy nahy tamin’ny fitelemana ody nantenaina hitondra soa. Raha izay no fisehon-javatra, ny tsy fihetsehan’ny tompo-pahefana ambony mandavo azy ireto ho tompon’andraikitra mikasika ny fitrangan-doza toy itony.

 

Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique