Flash
Préc Suiv

Fakana an-keriny: votsotra ihany ny filohan’ny AV7

 Votsotra omaly ny filohan’ny AV7 Andriamahefarisoa Etienne, rehefa nalain’ny olon-tsy fantatra an-keriny. Fantatra fa tany Fianarantsoa no nitondran’ny mpaka an-keriny azy, ary tany izy io no navotsotra. Tsy nisy resa-bola ny raharaha, fa karazana fampihorohoroana kosa ity niseho ity. Efa fanindroany ny lehilahy no tratran’izany fakana an-keriny izany. Tamin’ny andron’ny tetezamita ny voalohany, ka nentina nampitahorana azy izany. Votsotra ihany koa izy taorian’izay. Teny Ambodimita izy no nisy naka an-keriny, ny zoma lasa teo, tamin’ity tranga faharoa ity. Raha araka ny fantatra, misy ihany ny olona efa noahiahiany tamin’ity raharaha ity, satria efa nisy ny olona nandrahona azy talohan’izao. Voalaza fa olona ambony ao amin’ny fiadidiana ny repoblika io olona io. Milaza ny hametraka fitoriana ny lehilahy ka andrasana ny tohin’izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.