Flash
Préc Suiv

Asan-dahalo ao Tsaratanana: « Ny zandary indray no mandrahona fokonolona »

Asan-dahalo ao Tsaratanana: « Ny zandary indray no mandrahona fokonolona »

Mirongatra izay tsy izy indray, amin’ izao fotoana izao, ny asan-dahalo ao amin’ny fokontany Tsinjorano,  kaominina ambanivohitra Sakaomadinika, disitrikan’ i  Tsaratanana faritra Betsiboka.  Voalaza fa noho ny tahotra izay asan-dahalo izay hatrany, lasa mandositra hatramin’ny sefo fokontany . Nambaran’ ny sefo fokontanin’i Tsinjorano,i Dorale, tamin’ny mpanao gazety fa tsy sahy mifanehitra amin’ny dahalo ny zandary avy ao Antanabe, Amparafaravola, Sakaomadinika fa raha maheno fa ho avy ny dahalo dia mimpirina aloha ireo miandry dahalo lasa, vao mivoaka. « Ny fokonolona sy ny tompon’ny kijana handalovan’ny omby halatra no samborin’ izy ireo fa tsy mba manara-dia dahalo ny zandary. Ary aorian’ny fisamborany ny tompon’ny kijana, hazoniny ny kara-panondrom-pirenena ka tsy azo raha tsy handoavana telo hetsy ariary », hoy ny sefo fokontany. Nohamafisin’ ireto solontenam-pokonolona ireto hatrany fa misy kizon-dahalo efa fantatra ao amin’ny fokontanin’ i Behoraka, disitrikan’ i Tsaratanana fa tsy sahin’ny zandary avy amin’ ireo tanana telo voalaza etsy ambony ireo ny mamaky  io kizo io. Vokany very fanahy mbola velona ny fokonolona satria na ny ben’ny Tanana sy ny depioté mitazam-potsiny fa hoe matahotra ny ainy sy ny ankohonany, ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, ireo solontenan’ny fokonolona mahatsiaro ho tsy manana fanjakana ho mpiaro amin’ny asan-dahalo.

Sajo

Les commentaires sont fermées.