Flash
Préc Suiv

AFT: polisy miisa 48 nisitraka fiofanana

AFT: polisy miisa 48 nisitraka fiofanana

Ho fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manao eo anivon’ny polisim-pirenena, nisy ny fanamafisana ny traikefa efa ananan’izy ireo. Polisy miisa 48 no nisitraka ny fiofanana momba ny fanoratana tao amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 6 septambra lasa teo. Naharitra roa volana ny fiofanana izay niompana bebe kokoa amin’ny sehatry ny asa mba hahafahan’ireo polisy mampihatra sy mampiasa avy hatrany izany eny anivon’ny toeram-piasana. Notolorana mari-pankasitrahana ireo polisy nanao fiofanana ireo ka tamin’izany no nilazan’ny tale lefitry ny AFT ny fahavononana hatrany hiara-miasa eo amin’ny polisim-pirenena. Nambaran’ny talen’ny kabinetra, ny Commissaire de police, Ainanirina Albert Estel nandritra ny famoahana ireto polisy nahavita fiofanana ireto kosa fa faly tokoa ny polisim-pirenena amin’izao vokatra izao ary mbola mampanantena ny hanohy hatrany ny fiofanana tahaka izao mba hampitomboana ny traikefan’ny polisy malagasy sy hahazoana vokatra tsara eo am-piatrehana hatrany ny asa.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique