Flash
Préc Suiv

500 ny mpamboly mpamatsy: mampivoatra ny fiainan’ny mponina ny fanodinana mangahazo 

500 ny mpamboly mpamatsy: mampivoatra ny fiainan’ny mponina ny fanodinana mangahazo 

Manodina ny mangahazo ho lasa koba (Gari) ny kaoperativa Mitambatrasoa ao amin’ny kaominina Bevala, distrikan’Amboasary Atsimo, nanomboka ny volana febroary lasa teo. Tetikasa iarahan’ny Pam, ny FAO, ny Fida ary ny minisiteran’ny Fambolena ny fanohanana ny kaoperativa mpanodina mangahazo ho Gari amin’ny tetikasa Aropa. 500 ny tokantrano mpamboly mangahazo. Vokatra mangahazo avy eo amin’ny fokontany manodidina ny ahodina ho koba. Ahazoana Gari 2 t ny mangahazo 10 t miditra ao amin’ny toeram-panodinana isam-bolana. Betsaka ny vokatra mangahazo, manomboka ny volana jona ka hatramin’ny aogositra. “Foto-tsakafon’ny mponina any an-toerana ny mangahazo, saingy tsy mbola fantatry ny mpanjifa loatra ny fisian’ny mangahazo nahodina ho koba”, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, i Ruheka Elyoh. Ezaka ataon’ny mpikambana ny fampahafantarana ny sakafo azo ampiasana ny Gari ary efa nanamboatra bokikely torolalana ho an’ny mpahandro momba izany izy ireo. Tetikasa filamatra ny ao Bevala ka manana tanjona hampiditra ny Gari ho sakafon’ny mpianatra any an-dakilasy ny Pam. Misy rahateo ny fiaraha-miasa amin’ny Ofisim-paritra ho an’ny fanjarian-tsakafo (ORN) hanovozan-tsoa ny Gari amin’ny singa mpamelona mba ho sakafo feno ho an’ny mpihinana.

Raha nanomboka amin’ny fianakaviana 200 ny Gari, efa niitatra amin’ny tokantrano 1 500 amin’ny kaominina 15 ao amin’ny faritra Androy sy Anosy ny tetikasa. Amidy amin’ny tsena anatiny na hatao sakafo any an-dakilasy ny Gari.

Vonjy

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique