Flash
Préc Suiv

Resaka politika sy lonilony: nisy naka an-keriny ny filohan’ny AV7, Andriamahefarisoa Etienne

Nalain’ny olona telo an-keriny, omaly maraina, ny filohan’ny AV7, Andriamahefarisoa Etienne. Tsy hita popoka ny tenany hatramin’izao. Efa fanintelony tamin’ity herinandro ity ny fandrahonana azy rehefa nandray anjara tamin’ny fivorian’ny AV7 teny Ankorondrano.  Efa nokasaina hosamborin’ny mpitandro filaminana ny tenany, ny alarobia teo, saingy nanda noho ny tsy fisian’ny taratasy sy ny anton’izany. Saika halaina an-keriny ihany izy avy eo taorian’izany fivoriana izany, saingy tafaporitsaka.

Nialoha izany, nisy tsy fifankahazoana momba ny resaka taratasy teo aminy sy ny olona iray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Teo koa ny tsy fanekeny ny faneriterena samihafa. Mety misy hifandraisany amin’ny ao an-dapa izany ity  raharaha fakana an-keriny ity? Tsy misy rahateo ny fitakiana vola hatreto. Tsy tokony ho afa-bela fa tafiditra amin’izao raharaha izao ny olon’Ambohitsorohitra. Na izany aza, efa mandeha  ny fanadihadiana.

Randria  

 

Les commentaires sont fermées.