Flash
Préc Suiv

Pop rock: manohy  ny diany ny tarika Mon Fy

Pop rock: manohy  ny diany ny tarika Mon Fy

Taona 2007, tafatsangana ny tarika Mon fy. Mahafehy gadonkira maro izy sivy mirahalahy mandrafitra ny tarika fa nisafidy kosa hifaka amin’ny filalaovana ny « pop rock ». Fampisehoana maro ny efa nahitana ny Mon Fy. Anisan’ireny ny nanamarihana ny faha-30 taon’ny tarika Rebika, ny alim-pikoranana nohafanain’ny tarika Toko Telo, sns… Ankehitriny, manohy ny diany hatrany eo amin’ny fikirakirana ny mozika ny tarika Mon Fy. Ho avy tsy ho ela ilay fampisehoana lehibe eto an-tanàna. Mialoha izay anefa, efa eny am-bavan’ny rehetra ny « Hafatra », ny « Voady », ny « Niova aho », ny « Indray andro any », ny « Vazon’ny tanàna », sns.

Efa misy rahateo ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny tarika sy ny Manj’Art Prod, mpikarakara hetsika kolontsaina sy mpitari-dalana ireo mpanakanto hiditra anaty sehatry ny matihanina.

Mpikambana mandrafitra ny tarika Mon Fy: i Heritiana (lead vocal), i Roger sy i Hery (feo lafika), i Denis (gitara marani-peo),  i Frederic (gitara beso), i Andritiana sy i Sitraka (gitara), i Heriniaina (amponga maroanaka) ary i Heriniaina, mpiantsoroka ny lafiny teknika.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique