Flash
Préc Suiv

Lycée Arivonimamo: nomen’ny Star ordinatera

Lycée Arivonimamo: nomen’ny Star ordinatera

Mitohy hatrany ny fiahiana ny lafiny sosialy hataon’ny Star. Fantatra fa nanome ordinatera miisa 5, ho an’ny lycée any Arivonimamo, ny orinasa, ny alakamisy teo. Ho fandrisihana ireo mpianatra hilofo bebe kokoa amin’ny fianarana ataony ny tena antony. Ho fitaovan-tserasera ho azy ireo, hahafahany mifanakalo sy manitatra ny seha-pifandraisana ihany koa izany.
Anisan’ireo lycée mitana ny laharana voalohany amin’ny voka-panadinana ao amin’ny faritra Itasy ny ao Arivonimamo. Misongadina ihany koa izy, raha ampilaharina amin’ireo lycée manerana ny Nosy. Nahavita nifanentana ireo ray aman-dreny sy ireo mpampianatra mpanabe ka nanangana toeram-pamakiam-boky iray. Ny fampitaovana izany kosa no nangatahan’izy ireo fanampiana ka anisan’ny namaly ny antso ny Star, amin’ny alalan’ny fanomezana ireto ordinatera ireto.

Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique