Flash
Préc Suiv

Kitra – «Poule des As»: mitaky hamerenana ny lalao ny FC Vakinankaratra

Kitra – «Poule des As»: mitaky hamerenana ny lalao ny FC Vakinankaratra

Nitondra fanazavana, tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely omaly, Andriantomponera Fidinirina, filohan’ny ligin’ny baolina kitra Vakinankaratra, ny amin’ny zava-nisy nahazo ny ekipan’ny FC Vakinankaratra, nandritra ny lalao miverina eo amin’ny “Poule des as”, natao tany Mahajanga ny alahady 2 septambra lasa teo. Fihaonana, nikatrohany tamin’ny Fosa Jr ka naharesy azy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0. “Nitongilana tamin’ny ekipan’ny Fosa Jr ny mpitsara. Baolina roa be izao no matin’ny FCV, saingy nolavin’ny mpitsara avokoa. Vokatr’izay, nijanona 15 mn ny lalao”, hoy izy.

Araka izany, nanao “réserve technique”, izay efa tonga any amin’ny federasiona, ny FC Vakinankaratra ary efa lasa eny anivon’ny filankevi-pifehezana ny fandinihana izany. Miandry ny valiny izy ireo, amin’izao fotoana izao. “Miangavy ny tomponandraikitra hijery akaiky ny zava-misy ao anatin’ny ara-drariny izahay. Ankoatra izay, mangataka ny hamerenana ny lalao ny ligin’i Vakinankaratra. Vonona ny FCV hiatrika izany na atao any Mahajanga amin’ny andavanandro aza”, araka ny filazan’i Fidy hatrany.

Manampy ny ekipa ny ligy

Nambarany fa amin’ny maha filohan’ny ligin’i Vakinankaratra azy no hanohanany ity ekipa tompondakany ity hiady amin’ny tsy rariny. Nomarihiny fa manampy amin’ny lafiny rehetra ny ekipany ny filohan’ny ligy, manao ezaka goavana hamerenana ny hasin’ny baolina kitra ao Antsirabe. Tsy ny tenany irery ihany fa manao izany koa ny klioba. Notsindriny fa manana ny hoenti-manana hiatrehana ny fifaninanana afrikanina ny ekipa matoa tonga amin’ny “Poule des as”. Nomarihin’i Fidy fa tsy resaka fanoherana ny federasiona ny fitakiana ataon’ny ligin’i Vakinankaratra. “Hamita hatramin’ny farany ny “Poule des as” ny FCV ary hiaro ny voninahitr’i Vakinankaratra”, hoy izy.

Nanohana ny ligin’i Vakinankaratra amin’izao fitakiany izao ny filohan’ny ligin’Amoron’i Mania, Randriantsoaniaina Nirilanto, sy ny avy any Atsimo Atsinanana, Ratsimbazafy François Régis, samy nanakiana ny fomba fitsarana baolina eto Madagasikara sy ny fanaovana kajikajy hanomezana tombondahiny ny ekipa vaventy.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.