Flash
Préc Suiv

Kandidà Dama: « Amin’ny 7 novambra ihany ny fifidianana »

Kandidà Dama: « Amin’ny 7 novambra ihany ny fifidianana »

Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana ny kandidà efa vonona.  « Amin’ny 7 novambra ihany », hoy ny kandidà Dama.

« Tamin’ny 30 jona, teny Antanimena, efa nambarako fa mety amiko io datim-pifidianana io. Tsy manemotra izany aho fa efa vonona hiatrika. » Io ny tenin’ny kandidà lah. 4, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na i Dama, teny Analakely, omaly, manoloana ny fitakiana fanemorana ny fifidianana. Fanahy iniana ny filalaovana ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana ny amin’ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika na tsia. Mila mandeha mahitsy hatrany.

30 taona mahery, novidina hatrany ny safidim-bahoaka, fanambaniana ny maha olona sy ny maha Malagasy. Nefa mbola manana ny hasiny ny maro anisa tsy miteny, manaja ny marina, tia tanindrazana. Hamoha sy hamaha izany ny hetsika tolo-tanana. « Fotoana izao hanehoana fa mbola manana hambompo isika Malagasy, natao entam-barotra hatramin’izay », hoy izy. Hararaotin’ny sasany amin’izany ny fahasahiranan’ny olona, ny tsy fahalalany, ny fahatahorany fanjakana…

Tsy atao entam-barotra intsony ny Malagasy

Tsy hirahirana ny zava-tsy mety intsony izao fa hanasoavana ny Malagasy. Vita teo ny fanaovana mampalahelo. Andao hoporofoina fa mbola misy isika, tsy atao entam-barotra intsony ny Malagasy; raisina an-tanana ny fanarenana an’i Madagasikara. Hararaotin’ny sasany ny fahantrana, nefa izy ireo ihany no mampahantra.

Hoporofoina fa manan-katolotra isika, ary hanangana « Fondation » amin’ny tolo-tanana: tsy vola ihany fa mety ho fahaiza-manao, fanoloran-tena hiasa an-tsitrapo. Hifampitsinjovana izany, na voafidy izy na tsia. Amin’ny alalan’ny telefaonina, tranonkalam-pifandraisana, banky ny tolo-tanana. Mitohy ny valim-babena ary hangarahara, havoaka ny lisitry ny olona manome sy ny fandaniana.

R. Nd.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique