Flash
Préc Suiv

FMI: hifantoka amin’ny kolikoly, ny vidin-tsolika…

FMI: hifantoka amin’ny kolikoly, ny vidin-tsolika…

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, ny solontena vaovao ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), i Marc Gérard, hiasa eto Madagasikara. Anisan’ny nambarany fa nahavita ezaka ny governemanta malagasy amin’ny lafiny fitantanam-bola sy ny fandrindrana ny lafiny toekarena ankapobeny, nampitombo ny harinkarena faobe.

Ho an’ny dingana manaraka, hifantoka amin’ny fiatrehana sy fikarohana vahaolana mikasika ny vidin-tsolika, ny Jirama, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanatsarana ny fitantanana raharaham-panjakana ny FMI. Mitaky fahavononana sy fiaraha-miasa matotra amin’ny fitondrana na ny fanjakana mitondra eto Madagasikara izany.

Midika ireo fa hita sy tsapan’ny FMI sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny ny olana tena iainan’ny vahoaka malagasy. Fantany tsara fa tsy miantraika any amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana na ny vokatra vitan’ny fitondrana. Mbola manjaka ny kolikoly, tsy zakan’ny mpanjifa ny vidin-tsolika, tsy mazava ny fitantanana ny raharaham-panjakana.

Njaka A .

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique