Flash
Préc Suiv

Fiatrehana ny fifidianana: hanohana ny kandidà Rajoelina ny AFF

Fiatrehana ny fifidianana: hanohana ny kandidà Rajoelina ny AFF

 “Resy lahatra izahay ary miara-manaiky fa hanohana tsy misy fepetra ny  kandidà laharana faha-13, mpanorina ny IEM, Rajoelina”, hoy ny fanambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tetsy Soarano,  omaly. Anisan’ny anton’izany ny efa fiomanan’ny filohan’ny Tetezamita amin’izany hitondra firenena izany. Eo koa ny vina IEM nalaina tamin’ny hetahetan’ny vahoaka ary ny maha tanora azy. Manoloana izany, nanao antso avo ny AFF hahay handinika sy hijery ny kandidà tokony hofidina. “Mitaky olona manana vina hampandrosoana marina ny firenena. Hanova hatrany ifotony ary sahy hanao dinam-piarahamonina hamaly ny hetahetan’ny vahoaka”, hoy ihany izy ireo. Nanterin’ny AFF fa hany vahaolana tokana hivoahan’ny firenena sy ny vahoaka amin’izao fahantrana izao ny fifidianana. Manentana ny rehetra izy ireo handray andraikitra amin’ny adidy masina hatrehin’ny firenena ary koa hijery sy hanara-maso ny lisi-pifidianana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.