Flash
Préc Suiv

Fiainam-pirenena: haka bahana ny MFM Antananarivo

Fiainam-pirenena: haka bahana ny MFM Antananarivo

 

Mbola tena “Mafana” tanteraka na tsy henoheno firy aza. Hanao filankevi-paritra ny eo anivon’ny antoko MFM, eto Antananarivo Renivohitra, rahampitso etsy Antaninarenina.  “Imasoanay amin’io ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fomba fijery amin’ny ankapobeny manoloana ny lalana tokony hizorana. Eo koa ny fifampizarana sy ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpikambana”, hoy ny mpitaridraharaha MFM Antananarivo, ny Dr Roger, omaly tetsy Ambondrona. Raha idirana lalindalina, anisan’ny horesahina ny fitsinjaram-pahefana eny ifotony hiaingan’ny fampandrosoana. Tsy mbola hisy ny fanapahan-kevitra horaisina manoloana ny fiainam-pirenena sy ny hiatrehana ny fifidianana amin’izany filankevi-paritra izany. “Tompon’ny teny farany momba izany ny eo anivon’ny vovonam-pirenen’ny MFM”, hoy ihany izy ireo.

Tsiahivina fa efa voatsidiky ny birao foibe “Mafana” ny faritra 11 raha tsy mbola vita kosa  ny 11 ambiny.

Synèse  R.  

Les commentaires sont fermées.