Flash
Préc Suiv

Faritra Menabe: maina tsy misy rano ny lemaka maherin’ny 5 000 ha

Faritra Menabe: maina tsy misy rano ny lemaka maherin’ny 5 000 ha

 

Tsy ampy ny rano avy amin’ny tohodrano Dabara manondraka ireo lemaka any Menabe, ho an’ny kaominina Analaiva, Andranondambo, Bemanonga, Marovoay, Malaimbandy.  Maina tanteraka ny lemaka maherin’ny 5 000 ha any amin’ireo faritra ireo.

Noho ny fiovan’ny toetr’andro vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, betsaka ireo lemaka sy toerana tsy tongan’ny rano intsony manodidina an’i Morondava. Tsy mitsahatra ny tevy ala, hatramin’ireo hazo sarobidy, toy ny voamboana, misy manao saribao, araka ny fanamarihana azo avy ao Bemanonga. Ripaka ny ala amin’ny lalana mankany Beloha, tsy ahitana sifaka intsony izao.

“Tsimatimanota ireo olobe ambadik’izao fandripahana ala izao, hatramin’ireo ala honko”, hoy ireo nijoro ho valombelona. Iadiana ny rano ary misy tompon’andraikitra mamily izany tsy ho any an-kafa, ary efa nisy nifamono noho izany ny mponina any ambanivohitra. Ankilizato nahavitana tohodrano izao no mamatsy vary an’i Morondava.

Maro ny olona, noho izany, mivarotra ny tanimbariny totofana. Loza hafa aterak’izany koa ny asan-dahalo, toy ny nitranga tany amin’ny kaominina Bekopaka sy ny lalana mankany amin’ny Tsingy Bemaraha. Mifandray amin’izay asan-dahalo izay ny kolikoly. Alefa any Toliara ny raharaha raha tsy afa-po amin’ny fitsarana ao Morondava ny sasany, raha ny fanamarihan’ireo mponina any amin’ireo kaominina ireo.

Mikojakoja lakandrano ny fiangonana katolika

Manoloana izany olana izany, noraisin’ny fiangonana katolika an-tanana, tarihin’ny evekan’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, ny fikojakojana ny lakandrano ao Bedimaka, miainga avy any Kabatomena, Mahabo, ahazoana manondraka tanimbary anarivony hekitara maro. Misy rano io fa kely ary izay kely izay, mbola misy misakana.

Mandray andraikitra ny fiangonana katolika, niara-nijery vahaolana any Bedimaka sy any Dabara ny evekan’i Morondava sy ny kardinaly iray avy any Suède, ny Mgr Anders Arborelius, ny volana aogositra lasa teo. Niarahan’izy ireo nijery koa ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana.

 

R.Mathieu

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique