Flash
Préc Suiv

Fanehoan-kevitra: “Avelao hifidy ny olona…”

“Avelao ny Malagasy hifidy ny olona homeny fahefana handamina antsika mba handrosoana”, hoy ny nambaran’ny mpikambana Arema Andilamena, nangataka ny tsy hotononina anarana. Manahirana fa tsy misy mety hipetraka ho raiamandreny, mpandamina sy mpandrindra ny mpanao politika fa lasa mpiady hevitra, mpifaninana avokoa: any ka lasa “tohika”, samy mihizingizina amin’ny heviny fotsiny daholo, araka nambarany. “Samy milatsaka hofidina daholo!  Koa inona ny adihevitra, hitera-boka-tsoa amin’izany ?Indrindra fa ny filoha nilona ela indrindra tato anatin’ny politika sy ny fitondrana, aza milaza fa “tsy mahavita manaja ny fifanarahana nosoniaviny mihitsy ny mpanao politika””, hoy ihany izy.  Nametra-panontaniana ny tenany raha ahitam-bokany ny fifampidinihana.“Iza ny afaka hiantoka fa hahomby amin’ny ny fifanatonana sy fifampidinihana hatao eo ? Ireo mitaky ny hanaovana izany, satria “nahita” 50 tapitrisa Ar. aza samy nirotsaka ho idina daholo: izany hoe mifaninana. Tato anatin’ny 50 taona isika nahatsangana Repoblika efatra… Ka any amin’ny fahafiry vao hijanona?”, hoy ihany ny fanontaniany.

                                                                                                                                                              Nangonin-dRarivo

Les commentaires sont fermées.