Flash
Préc Suiv

Fanadinana bakalorea: betsaka ny mpiadina tsy niatrika ny taranja fanatanjahatena

Fanadinana bakalorea: betsaka ny mpiadina tsy niatrika ny taranja fanatanjahatena

Nanao fiantsoana ho an’ny mpiadina amin’ny taranja fanatanjahantena ny mpikarakara ny fanadinana bakalorea, omaly.

Maro ireo tsy tonga nanao ny adina fanatanjahatena; tao koa ireo tsy naka akory ny taratasy fiantsoana; tsy vitsy koa ny tsy tonga niatrika tamin’ny andro efa voatondro. Nahatratra150 ka hatramin’ny 200 isaky ny foibem-panadinana ny tranga ; Mahamasina ( ho an’ny mpiadina ao amin’ny Jules Ferry sy JJ Rabearivelo), ANS Ampefiloha, kianjan’i Saint Michel, kianjan’Alarobia.

Seho tsy mahazatra izany ka nitarika ny tomponandraikitry ny Ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo sy ny mpiandraikitra ny Cisco Antananarivo Renivohitra ary ny mpisahana ny adina fanatanajahatena handray fepetra manokana momba ireo mpiadina tsy tonga. Antsoina, noho izany, izy ireo hanatona ny foibem-panadinana na koa ny Ofisin’ny bakalorea miaraka amin’ny fanazavana tsy nahafaka azy. Homena daty vaovao ahafahany manatanteraka ny adina hatramin’ny alakamisy 13 septambra ho avy izao ireo mpiadina ireo. Mbola nisy koa ireo tsy naka mihitsy ny taratasy fiantsoana, indrindra ny mpiadina manolo-tena (mahatratra 30 isaky ny foibe). Ireo rehetra tsy mahatratra ny daty farany napetraka, tsy maintsy mivadika manao adina am-bava izay hatao ny 21 septambra amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora maraina. Ilaina ny mitondra taratasy avy amin’ny mpitsabo momba ny fisafidianana ny adina am-bava. Maro anisa (240) amin’ireo tsy tonga niatrika ny adina fanatanjahantena ny sokajy A1 sy ny C, araka ny fanazavan’ny tomponandraiki-paritry ny adina fanatanjahantena,   Ravoahangy Manantsoa Pierrot Vudoc.

Telo ireo maty

Anton’ny tsy fahatongavana ny tsy fahalalana na koa aretina niseho tampoka ka mety narary tampoka ary tsy naharay ny taratasy fiantsoana mihitsy.Nisy ihany koa ny mpiadina tsy tonga tany Arivonimamo, nahatratra 50; tany Antanifotsy, nisy 20 izy ireo. Tena tsy mahazo miadina amin’ny taranja rehetra ambiny raha tsy nanao ny fanatanjahantena.

Telo ny mpiadina maty teo am-panaovana fanatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea. Ny iray, vehivavy tany Ankazobe ny 21 aogositra lasa teo izay nanana olana teo amin’ny fahasalamana. Ny roa, teto Antananarivo, samy niadina teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nandray zavatra mampatanjaka izy ireo ka nihoatra be ny fatra nitarika amin’ny fahafatesany.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique