Flash
Préc Suiv

Axian sy ny Fondation H: fampirantiana ny haikanto malagasy any Paris

Axian sy ny Fondation H: fampirantiana ny haikanto malagasy any Paris

Tsy manam-paharoa! Sambany hisy fampirantiana goavana mikasika ny zavakanto sy ny maha Malagasy, hatao any amin’ny Musée Quai Branly-Jacques Chirac, any Paris. Miavaka koa satria mandritra ny efa-bolana, manomboka ny 18 septambra ho avy izao ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 1 janoary 2019. Namolavola azy ny vondrona orinasa Axian sy ny fikambanana Fondation H, samy naorin’i Hassanein Hiridjee. Manohana azy ireo ny vondrona orinasa Unima.

Maherin’ny 360 ny karazan-javatra haranty, azo zaraina telo miavaka. Voalohany ny zavatra rakitry ny ela malagasy, manaporofo ny tantara efa anjato taona maro (nanomboka ny taonjato faha-10,… faha-18 sy 19 mandraka ankehitriny) teto Madagasikara. Faharoa ny mirakitra ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy, toy ny sokitra, ny fanaka na fitaovana samihafa, ny kojakoja fahandroana, ny haingo sy ny firavaka, sns. Fahatelo ny lafiny fanahy sy ny finoana, toy ny ody, ny zavatra masina, ny sakafo mifandray amin’ny fivavahana, ny fitafy, sns.

Zava-bitan’ny mpanakanto malagasy

Miavaka koa ity fampirantiana ity satria hampahalala ny zava-bitany ny mpanakanto malagasy, i Temandrota sy Rtoa Zo, mivoy ny fikirakirana ny fampihaingoana samihafa atao tanana ny vokatra voajanahary. Eo koa ny mpaka sary Pierrot Men, mirona amin’ny sary mikasika ny tontolo sy ny andavanandro malagasy.

Nambaran’ny filoha mitantana ny vondrona Axian sy ny Fondation H fa omeny lanja manokana ny kanto sy ny maha Malagasy amin’ny alalan’ny tantara sy ny rakitry ny elany. Mankafy sady manangona manokana azy ireny rahateo izy mba ho fantatry ny taranaka malagasy tsy ankanavaka. Hisy fifandraisana mivantana amin’ny aty Madagasikara amin’ny “web-visites”, manomboka ny 24 septambra.

Njaka A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique