Flash
Préc Suiv

Arivonimamo: olona dimy naiditra am-ponja noho ny halatra omby

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo voarohirohy amin’ny halatra omby tany Ambohitrandrano, Arivonimmao. Efa ny 3 septambra lasa teo no nitadiavana ireo dahalo sy ny mpiray tsikombakomba taminy. Ny 5 Septambra, tra-tehaky ny zandary izy dimy mianadahy. Efa-dahy ny mpandroba omby sady tompon’antoka tamin’ny fanafihana nitranga tany amin’ny kaominina Ambohitrandrano sy kaominina Amboanana, distrika Arivonimamo, ny 2 Septambra lasa teo. Nisy nampandre ireo zandary avy ao amin’ny borigady Imerintsiatosika fa misy olona mandroaka omby halatra nandalo tao amin’ny kaominina Miantsoarivo, ny 3 septambra tokony ho tamin’ny folo maraina, ka natao avy hatrany ny fikarohana sy ny fanakanan-dalana niaraka tamin’ny zandary. Adiny iray taorian’izay, tao Ambatofotsy, tra-tehaka ny dahalo roa lahy ary nanoro ireo namany hafa sy ny toerana nandefasan’izy ireo ny omby ireto farany. Mbola teo amin’ny faritra manodidina teo ihany no hita ny sasany amin’ireo omby ka nahafahana nisambotra ireo mpandray ny omby halatra. Tany Alatsinainy Bakaro sy Sabotsy Namehana kosa ny omby sasany vao hita ary notanana ireo olona roa nahatrarana izany. Taorian’ny fanadihadiana, fantatra fa vehivavy iray monina ao Andramasina ny mpanome ny taratasin’omby Fib (Fiche individuelle de bovidé) sy pasipaoron’omby sandoka nahafahan’izy ireo namotsy ny taratasin’omby. Voasambotra koa izy io rehefa tratry ny vela-pandrika tamin’ny alalan’ny finday nilazana fa misy olona mitady maika Fib. Efa tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo omby 13 nangalarin’izy ireo.

Yves S.

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique