Flash
Préc Suiv

Any amin’ny faritra atsimo: hamafisina ny fampianarana ny olon-dehibe

Any amin’ny faritra atsimo: hamafisina ny fampianarana ny olon-dehibe

Hamafisina ny fametrahana ivontoeram-pampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy, ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy, satria anisan’ny toerana ahitana olona betsaka tsy mahay mamaky teny sy manoratra any. 58, 2% ny tahan’ny mponina tsy mahafehy izany raha 71, 6% ny taha nasionaly, araka ny fanadihadiana EnsOMD, ny taona 2012-2013. Hatomboka eo Betroka ka hatrany Taolagnaro ny asa. Manome tohana amin’ny mpampianatra sy ny fitaovana ny minisiteran’ny Fanabeazana fa misy koa ny ONG na fikambanana manome tanana eny ifotony. 76 ny fikambanana mahazo fanampiana avy amin’ny minisitera mampianatra olona 15 taona no ho miakatra manerana ny Nosy ka tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy. 85 000 ireo efa nahita tombontsoa ka afaka tamin’ny habadoana. Anisan’ireny ireo tanora malaso na dahalo niova fo (jado) any atsimo. Nampianarina ny tenin’ny Soratra Masina niaraka amin’ny famakiana teny sy fanoratana ary ny kajy izy ireo. Nitondra fivoarana ho an’ireo jado ny fampianarana satria nivoatra ny fiainany andavanandro.

“Tanjona ny hampidina ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho 25% amin’ny taona 2030, araka ny voafaritra ao anatin’ny Paikadim-pirenena momba ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy”, hoy ny tale misahana ny fampianarana mamaky teny, Ravelonjanahary Arthur Mananjaona . Hisy ny tombana momba ny asa vita isaka ny efatra taona hatramin’ny 2030. Fiovana iray koa ny fanamorana fampianarana mamaky teny sy manoratra, tsy voatery ho mpampianatra nahavita fiofanana manokana no hisahana izany. Nomarihina, omaly, ny andro iadiana amin’ny habadoana tamin’ny fampahafantarna ny paikadim-pirenena.

Vonjy        

Les commentaires sont fermées.