Flash
Préc Suiv

67 ha: lehilahy nahatrarana rongony iray gony

67 ha: lehilahy nahatrarana rongony iray gony

Saron’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry, teny 67 ha afakomaly, ny lehilahy iray niaraka tamin’ny rongony iray gony. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahitana ity lehilahy ity somary hafahafa nidina tamin’ny taxi-be iray avy any Itaosy ary nilanja gony iray. Mahimahina izy teo am-pitondrana ilay gony ka nanapa-kevitra ny hisava azy avy hatrany ny polisy. Hita tamin’izay indrindra fa rongony ny tao anatin’ilay gony be nolanjainy. Nahatratra 11 kg rehefa nolanjaina ity zava-mahadomelina ity. Nilaza izy, nandritra ny fanadihadian’ny polisy, fa eny Antanety Itaosy ny nakany io rongony io ka mikarama 10 000 Ar izy mitondra ity rongony ity fa hafa ny tena tompon’entana. Fantany kosa anefa fa rongony ity nentiny.

J.C

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique