Flash
Préc Suiv

Vohilava Mananjary: mitrandraka volamena amin’ny alina ilay orinasa

Niandry kely fotsiny ! Nakaton’ny fanjakana ny toeram-pitrandrahana volamena nataon’ny orinasa Mac Lai Sime Gianna (MLSG), ny 30 desambra 2017 any Vohilava, distrika Mananjary. Notoherin’ny fokonolona sy ny fikambanana fiarahamonim-pirenena maro ity fitrandrahana ity satria manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny olombelona.

Taitra anefa ny rehetra fa nidina tany an-toerana, ny alin’ny 3 aogositra teo, ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany miisa efatra, nilaza tamin’ny fokonolona, fa nahazo alalana ny hiverenan’ny fitrandrahana volamena ataon’ny MLSG. Anton-dian’izy ireo tany an-toerana ny hamahana ny hidin’ny vavahady nogiazana.

Fanaraha-maso ihany

Tsy nionona tamin’izany fanambarana izany ny fokonolona fa nijery akaiky ny taratasy fahazoan-dalana (OM lah: 154-2018/MMP/DPM, ny 01/08/2018). Rehefa tena nozohina, tsy mifanaraka amin’io fanambaran’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany io ny ao anatin’ilay taratasy. Voalaza ao fa hatreo amin’ny fanaraha-maso sy ny fijerena ifotony raha sendra nisy fandikan-dalàna natao tao amin’ilay toerana, nandritra izay fanakatonana azy izay, ihany no hataon’ireo mpamita iraka ireo.

Niverina nitrandraka volamena isaky ny alina ao amin’ny reniranon’Isaka Vohilava anefa ny MLSG, nanomboka ny 6 aogositra teo. Nanao fihetsiketsehana nanohitra izany ny fokonolona ny 25 aogositra, ary nijanona ny fitrandrahana.

Foanana tanteraka

Maro ny fikambanana sy ny fiarahamonim-pirenena manohana ny hetsiky ny mponina any an-toerana amin’izao fandikàn-dalàna izao. Anisan’izany ny Craad-OI, ny OIDESCM, ny fikambanana Mazoto, tarihin’ny mpanakanto Théo Rakotovao, ny fikambanana Tany, sns. Angatahin’izy ireo ny hanafoanana tanteraka ity fitrandrahana volamena any Vohilava ity miampy ny fanasaziana ilay orinasa satria tandindomin-doza sy ny fahasalaman’ny mponina vokatry ny akora simika ampiasain’ilay orinasa ao anaty renirano, sady potika ny fambolen’izy ireo.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.