Flash
Préc Suiv

Tsy manakana ny fifindran’i Dax ny Fosa Jr

Tsy manakana ny fifindran’i Dax ny Fosa Jr

Nitondra fanazavana, ny amin’ny resaka mandeha  amin’ny fifindran-toeran’i Dax, any amin’ny Kaizer Chiefs Afrika Atsimo, ireo mpitantana ny Fosa Jr , omaly. « Misokatra izahay ary tsy manakana ny fandehanan’i Dax, hilalao any amin’ny Kaizer Chiefs. Na izany aza, tokony ho ao anaty fifanajana sy ny lalàna ny fifindrany« , hoy  ny filohan’ny klioba, Arno Steenkist. Nohamafisiny fa efa nisy ny resaka nifanaovan’ny telo tonta, aorian’ny fahavitan’ny fifaninanam-pirenena, amin’ity faran’ny volana septambra ity, vao tokony handeha i Dax. Na eo aza izany, nodinganin’i Dax, ny Fosa Jr ka nandeha namonjy ny Kaizer Chiefs, tsy nahazo fahazoan-dalana tamin’ny klioba ary tsy nampandre ny mpitantana ny Fosa Jr ny tenany. Nohamafisin’i Hubert Grosset, sekretera jeneralin’ny ekipa  fa manana fifanarahana, hatramin’ny taona 2020, amin’ity klioban’i Boeny ity, i Dax ary fantatry ny federasiona izany. « Tsy nametraka fanakanana ho azy izahay fa nanao fitoriana kosa teny anivon’ny fitsarana« , hoy  ihany izy ireo. Nohamafisiny fa tsaho avokoa ny resaka volabe ho tambin’ny fifindran-toeran’i Dax. Nohelohin’ny Fosa Jr tanteraka ny fanalam-baraka nataon’ny Kaizer Chiefs, amin’ny filazana fa « amateur« , ny Fosa Jr sy ny baolina kitra eto amintsika.

Mpilalao telo nantsoina  ho Barea

Nambaran’ireo mpitantana ny Fosa Jr  fa 3 ireo mpilalaon’izy ireo nantsoina ho Barea, hihaona amin’i Sénégal.  Eo i Baggio, tsy afaka namonjy ny ekipam-pirenena noho ny ny ratra nahazo azy. Eo koa i Mario, efa any amin’ny Barea amin’izao fotoana izao ary i Dax. « Efa nalefa ny fiantsoana azy ary nampahafantarina izany koa ny klioba Kaizer Chiefs, ka anjaran’i Dax sisa na ho avy izy na tsia, fa tsy misy hidiran’ny Fosa Jr« , hoy i Arno Steekist.

Tsy marina ny filazana fa nogiazan’ny klioba ny taratasy fiantsoana an’i Dax, ho ao anaty Barea, raha ny nolazain’i Harivola Ando, mpiandraikitra ny ekipa. « Aminay, ambony ny tombontsoan’ny firenena ary manan-danja ny lalao hikatrohana amin’i Sénégal, ka tsy afaka ny hanao sakana, mpilalao izahay », hoy izy ireo.

Tompondaka

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique