Flash
Préc Suiv

Tselatra

Jiolahy miisa dimy, indray niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray eny amin’ny fokontany Antsampandrano Ankadikely Ilafy, afakomaly. Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ny tompon-trano ka maty voatifitra ny jiolahy iray. Hita eny an-toerana ny balana calibre 12 miisa 30 niaraka tamin’ny saron-tava, ny baramina, hety be roa. Tsy nahazo na inona na inona kosa ireo jiolahy. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao fanadihadiana.  Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny fatin’ilay jiolahy.

Maty rotiky ny balan’ny zandary ny dahalo telo isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao an-tanànan’Ambalamarina, fokontany Ambondrombe, kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Ambalavao, ny talata teo. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny omby miisa 70. Nanara-dia avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambalamarina sy ny fokonolona. Nisy ny fifandonana tao Soamahatamana, 10 km avaratr’Ambalamarina. Vokany, maty voatifitra ny dahalo telo lahy, zandary iray nandalovan’ny bala teo amin’ny tongony. Raim-pianakaviana iray hafa naratra voatifitr’ireo dahalo teo amin’ny lohany. Nalefa notsaboina haingana any amin’ny hopitaly ireo niharam-boina.

 

Les commentaires sont fermées.