Flash
Préc Suiv

Toamasina – Fifidianana: manohana ny kandidà Rajoelina ny VKLM

Toamasina – Fifidianana: manohana ny kandidà Rajoelina ny VKLM

Tafatsangana, ny alarobia teo, ny biraon’ny Vondron’ny laika kristianina mikatroka (VKLM) ao Toamasina. Hanohana sy hanao ny fomba hampandaniana ny mpanorina ny IEM, ny kandidà Rajoelina, ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana sy ny manodidina izy ireo.

Vofidy ho mpandrindram-paritra i Bezara Claret. Eo koa ny mpandrindra lefitra isaky ny paroasy 11 eto an-tampon-tananan’ i Toamasina renivohitra. Razafindrakoto Lucie kosa ny sekretera mpanantanteraka ary tompon’ andraikitra ho an’ ireo fikambanana masina manerana ny faritra Atsinanana i Annicet. Misahana ny vaomieran’ny serasera eo anivon’ny VKLM i José. Efa vonona avokoa izy rehetra ireo amin’ny fanohanana ny kandidà laharana faha-13.

Tsiahivina fa tonga nanatrika ny fametrahana ny biraom-paritra ireo ekipa nasionalin’ny VKLM, notarihin’ny filoha lefitra, i Mamidou sy i Seraphin. Nitohy tamin’ny fiaraha-nitsena ny mpitantana ambony eo anivon’ny VKLM sady minisitry ny Varotra, i Yvette Sylla, teny amin’ny seranam- piaramanidina Ambalamanasa, izany, omaly.

Midika  izany fa manao ranolava ny fanambarana  fanohanana ny mpanorina ny IEM amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao.

Sajo

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique